Cardinal Désiré TSARAHAZANAMgr Jean de Dieu RAOELISONPape Léon XIV

Cardinal Désiré TSARAHAZANA

" Aza manaiky ho resin'ny ratsy, fa reseo amin'ny Soa ny ratsy "

Mgr Jean de Dieu RAOELISON

" Mpivahinin'ny Fanantenana " (Taon-Jobily 2025)

Pape Léon XIV

" Nous devons savoir reconnaître le Christ dans le visage de chaque personne exclue "

Cardinal Désiré TSARAHAZANAMgr Jean de Dieu RAOELISONPape Léon XIV
Cardinal Désiré TSARAHAZANAMgr Jean de Dieu RAOELISONPape Léon XIV

Sorona Masina





Torolalana momba ny Sorona Masina

* Dingana 1 : Hisintona seho
– Midira ao amin’ny takelaka « Sorona Masina »
– Tsindrio ny bokotra « Vaninandro »
– Fidio ny taona litorjika misy ny Sorona Masina izay tiana ho sintonina (A, B na D)
– Tadiavo ny datin’ny Sorona Masina tiana ho sintonina
– Tsindrio ny rohy tandrify ny daty eo amin’ny tsanganana ankavanana
➔ Misokatra ny takelaka « Taona Litorjika » misy ilay Sorona Masina
– Eo amin’ny tsanganana havanana, tsindrio izay bokotra tokana miloko mena
➔ Manomboka misintona ilay seho tadiavina ny takelaka
– Rehefa tafiditra ilay seho dia sokafana.
– Raiketina any amin’ny toerana tiana hasiana azy ny seho voasintona.

* Dingana 2 : Fandrafetana ny seho
– Ovaina ny datin’ny seho (eo amin’ny pejy faha-4)
– Ampiana tsirairay amin’ny seho amin’ny toerana voatokana amin’izany ireo hira voafidy hatao mandritra ny Sorona Masina
– Raiketina ilay seho efa voarafitra

* Fanamarihana
Raha fantatra mialoha ilay Sorona Masina tadiavina dia afaka tonga dia mivantana mankao amin’ny takelaka « Taona Litorjika » dia arahina mitovy amin’ny etsy ambony ihany ny tohiny.

Dingana 3 : Fandefasana ny seho
* Fitaovana ilaina
– « Solosaina » (Ordinateur)
– « Mpaninjara seho » (Vidéoprojecteur) na « Tefy » (Moniteur) na koa « Lamba fiantefa » (Ecran de projection)

* Fanamarihana
– Mety daholo rehefa mety ho rindrambaiko (logiciel) fandefasana seho toy ny « PowerPoint ». Raha ny traikefa hita hatramin’izao dia ny PowerPoint 2010 no manavanana sy mora ampiasana indrindra.