| Sorona Masina |
Fihirana |
| Rakibolana sy dikateny |
|
Seho : Projection PowerPoint
Hisintona : Télécharger (Seho na feon-kira)
Hihaino : (Écouter)
Raha hihaino ny feon-kira fotsiny, fa tsy hisintona
Raiketina : Sauvegarder, enregistrer
Solosaina : Ordinateur
Mpaninjara seho : Vidéoprojecteur
Tefy : Écran, moniteur de projection (Ordinateur)
Lamba fiantefa : Écran de projection
Rindrambaiko : Logiciel
Rohy : Lien
|
| Fifandraisana |
|
Ny fifandraisana rehetra, na mikasika ny Sorona Masina izany,
na momba ny tononkira sy ny feon-kira ary ny tonon-bavaka,
dia atao amin’ny alalan’ny adiresy mailaka :
zahokatolika@gmail.com
Afaka mandefa hafatra amin’io adiresy io :
- Fanamarihana raha misy hevitra tiana hampitaina
- Fanitsiana raha hita fa misy diso, na efa nisy fanovàna, na koa fanatsarana
- Fanampiana raha misy tononkira na tonombavaka vaovao, na feon-kira vaovao na mbola tsy ao anaty takelaka
- Mikasika manokana ny feon-kira, tsy tonga dia alefa ny feon-kira fa mandefa hafatra sy laharana finday amin’ny adiresy maikala eto ambony dia tompon’andraikitra mamaly ny hafatra, mandray ny antso na mamerina miantso avy eo.
Raha misy Fiangonana na Fikambanana Masina mila torohevitra ara-teknika momba ny fitaovana ilaina sy ny fomba hatao raha te-hanomboka seho na koa momba ny fandefasana feon-kira mandritra ny Sorona Masina na fotoam-bavaka hafa dia afaka mandefa ny hafatra amin’ny alalan’io adiresy mailaka io.
|
| Sorona Masina |
Fihirana |
|
* Dingana 1 : Hisintona seho
– Midira ao amin’ny takelaka « Sorona Masina »
– Tsindrio ny bokotra « Vaninandro »
– Fidio ny taona litorjika misy ny Sorona Masina izay tiana ho sintonina (A, B na D)
– Tadiavo ny datin’ny Sorona Masina tiana ho sintonina
– Tsindrio ny rohy tandrify ny daty eo amin’ny tsanganana ankavanana
➔Misokatra ny takelaka « Taona Litorjika » misy ilay Sorona Masina
– Eo amin’ny tsanganana havanana, tsindrio izay bokotra tokana miloko mena
➔Manomboka misintona ilay seho tadiavina ny takelaka
– Rehefa tafiditra ilay seho dia sokafana.
– Raiketina any amin’ny toerana tiana hasiana azy ny seho voasintona.
* Dingana 2 : Fandrafetana ny seho
– Ovaina ny datin’ny seho (eo amin’ny pejy faha-4)
– Ampiana tsirairay amin’ny seho amin’ny toerana voatokana amin’izany ireo hira voafidy hatao mandritra ny Sorona Masina
– Raiketina ilay seho efa voarafitra
* Fanamarihana
Raha fantatra mialoha ilay Sorona Masina tadiavina dia afaka tonga dia mivantana mankao amin’ny takelaka « Taona Litorjika » dia arahina mitovy amin’ny etsy ambony ihany ny tohiny.
|
– Midira ao amin’ny takelaka « Hira ankapobeny »
– Soraty ampahany na manontolo eo amin’ny toerana voatokana amin’izany ny lohatenin’ny hira tiana ho sintonina
– Tsindrio ny bokotra « Hitady »
➔Miseho ny lohatenin’ny hira (Mety misy maromaro mitovy lohateny ny miseho eo)
– Fidio ny hira tiana ho sintonina
* Fisintonana seho misy hira
– Tsindrio ny bokotra « Hisintona Seho »
– Mitovy amin’ny hisintona Sorona Masina etsy ankilany ankavia ihany ny tohiny◄
* Hihaino hira
– Tsindrio ny bokotra « Hihaino »
➔Tonga dia mandeha ny feonkira
• Fanamarihana
– Feon-kira tsy misy olona mihira no ao anatin’ity takelaka ity
– Raha miloko volombatolalaka (Gris) ny bokotra « Hihaino » sy « Hisintona hira », dia mbola tsy misy ao anaty izay takelaka ny feon-kira.
* Hisitona feon-kira
– Tsindrio ny bokotra « Hisintona hira »
➔Manomboka misintona ilay feon-kira ny takelaka
– Rehefa tafiditra ilay seho dia sokafana.
– Raiketina any amin’ny toerana tiana hasiana azy ny seho voasintona.
* Fanamarihana
– Rehefa manindry ny bokotra « Fiverenana » dia mivoaka eo ireo fiverenana fanao amin’ny Sorona Masina (Salamo, Evanjely, Ranombavaka, Fihobiana…)
– Mety misy karazany roa ny fanombohana ny hira (Intro) : Lava = atao amin’ny voalohany – Fohy = Atao amin’ny manelanelana
– Mitokana ny feon-kira amin’ny Rainay, Masina sy ny Zanak’Ondry
|
| Fandefasana ny seho voarafitra |
|
* Fitaovana ilaina
– « Solosaina » (Ordinateur)
– « Mpaninjara seho » (Vidéoprojecteur) na « Tefy » (Moniteur) na koa « Lamba fiantefa » (Ecran de projection)
* Fanamarihana
– Mety daholo rehefa mety ho rindrambaiko (logiciel) fandefasana seho toy ny « PowerPoint ». Raha ny traikefa hita hatramin’izao dia ny PowerPoint 2010 no manavanana sy mora ampiasana indrindra.
|
| Fandefasana ny feon-kira |
|
Anisan’ny zavatra azo atao koa ny fandefasana feon-kira mandritra ny Sorona Masina na ny famerenan-kira
* Fitaovana ilaina
– Smartphone misy Bluetooth asiana ny feon-kira halefa
– Fitaovana fandefasana hira misy Bluetooth
* Fandefasana feon-kira
– Alefa tsirairay amin’ny fitaovana izay ananana araka ny filaharany ny feon-kira
* Fanamarihana
– Azo atao koa ny mampiasa clé USB / carte mémoire sy fitaovana fandefasana hira amin’ny clé USB / carte mémoire, saingy tsy afaka mahita ny lisitry ny hira halefa amin’izay fotoana izay
– Tsara raha asiana nomerao araky ny filaharana andefasana azy mandritry ny Sorona Masina ny hira anaty smartphone na clé USB / carte mémoire hanamorana ny fandaharana ny fandefasana ny feon-kira.
|