* Dingana arahina :
– Midira ao amin’ny takelaka « Hira ankapobeny »
– Soraty ampahany na manontolo eo amin’ny toerana voatokana amin’izany ny lohatenin’ny hira tiana ho sintonina
– Tsindrio ny bokotra « Hitady »
➔Miseho ny lohatenin’ny hira (Mety misy maromaro mitovy lohateny ny miseho eo)
* Fisintonana seho misy hira
– Fidio ny hira tiana ho sintonina
– Tsindrio ny bokotra « Hisintona Seho »
➔ Manomboka misintona ilay feon-kira tadiavina ny takelaka
– Rehefa tafiditra ilay seho dia sokafana.
– Raiketina any amin’ny toerana tiana hasiana azy ny seho voasintona.
* Hihaino hira
– Tsindrio ny bokotra « Hihaino »
➔ Tonga dia mandeha ny feonkira
• Fanamarihana
– Feon-kira tsy misy olona mihira no ao anatin’ity takelaka ity
– Raha miloko volombatolalaka (Gris) ny bokotra « Hihaino » sy « Hisintona hira », dia mbola tsy misy ao anaty takelaka izay ny feon-kira.
* Hisitona feon-kira
– Tsindrio ny bokotra « Hisintona hira »
➔ Manomboka misintona ilay feon-kira ny takelaka
– Rehefa tafiditra ilay seho dia sokafana.
– Raiketina any amin’ny toerana tiana hasiana azy ny seho voasintona.
* Fanamarihana
– Rehefa manindry ny bokotra « Fiverenana » dia mivoaka eo ireo fiverenana fanao amin’ny Sorona Masina (Salamo, Evanjely, Ranombavaka, Fihobiana…)
– Mety misy karazany roa ny fanombohana ny hira (Intro) : Lava = atao amin’ny voalohany – Fohy = Atao amin’ny manelanelana
– Mitokana ny feon-kira amin’ny Rainay, Masina sy ny Zanak’Ondry